Je vous aime
Hainteny Merina
| |
Tiako hianao
|
Je vous aime
|
Ary tianao tahaky ny inona ?
|
Et comment m’aimez-vous ?
|
Tiako tahaky ny vola hianao
|
Je vous aime comme l’argent.
|
Izany tsy tianao aho
|
Alors vous ne m’aimez pas.
|
Fa raha noana hianao hatakalonao hanina
|
Si vous avez faim, vous m’échangerez pour ce qui ce mange
|
Tiako hianao
|
Je vous aime
|
Ary tianao tahaky ny inona ?
|
Et comment m’aimez-vous ?
|
Tiako tahaky ny paraky hianao
|
Je vous aime comme le tabac
|
Izany tsy tianao aho
|
Alors vous ne m’aimez pas.
|
Fa ataonao fitia momba rora
|
Votre amour suit votre salive
|
Tiako hianao
|
Je vous aime
|
Ary tianao tahaky ny inona ?
|
Et comment m’aimez-vous ?
|
Tiako tahaky ny jiafotsy hianao
|
Je vous aime comme le tissu de raphia
|
Izany tsy tianao aho
|
Alors vous ne m’aimez pas.
|
Intelo tafina ka mievotra ihany
|
Trois fois on le revêt et pourtant il s’échappe
|
Tiako hianao
|
Je vous aime
|
Ary tianao tahaky ny inona ?
|
Et comment m’aimez-vous ?
|
Tiako tahaky ny lambamena hianao
|
Je vous aime comme le lambamena
|
Izany tsy tianao aho
|
Alors vous ne m’aimez pas.
|
Fa efa maty, vao mihaona
|
Nous mourrons avant de nous rencontrer.
|
Tiako hianao
|
Je vous aime
|
Ary tianao tahaky ny inona ?
|
Et comment m’aimez-vous ?
|
Tiako tahaky ny voatavo hianao
|
Je vous aime comme la voatavo
|
Lena hianao haniko
|
Fraîche, je vous mange
|
Maina hianao ataoko zinga
|
Sèche, je fais de vous une tasse
|
Vaky hianao atakaoko toham-baliha
|
Cassée, je fais de vous un chevalet de valiha
|
Hotendreko eroa amoron-dalana
|
Je jouerai légèrement au bord des routes
|
Izay olo-mandalo mandreny avokoa
|
Tous ceux qui passent l’entendent.
|
Izany aho vao tianao tokoa
|
C’est maintenant que vous m’aimez tout à fait
|
Traduction de Jean Paulhan
Les hain-teny merinas, 1913
|
Nécrologie du 04 mai 2024
Il y a 1 jour
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire